Banky Iraisam-pirenena : fitsidihina ny asa amin’ny lalana RN7 sy RN10

Manohana ny sehatry ny lalana eto amintsika ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana tetezana sy ny fanarenana ny lalana amin’ny RN7 sy RN10.

Nijery ifotony any amin’ ny lalam-pirenena RN7 sy ny RN10, ny herinandro lasa teo, ny delega­sion’ny Banky Iraisam-pirenena (BM), Vincent Vesin, Soh Alphonse ary Rtoa Wei Yan. Niaraka tamin’izy ireo ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), Razafindriana­rivo Henri Jacob sy ny avy ao amin’ny Antokon-draharaha misahana ny lalana eto Ma­dagasikara (ARM). Maroma­ro ny fotodrafitrasa amboarina amin’ny RN7, tafiditra ao anatin’ny Tetikasa fampandrosoana maharitra mikasika ny lalana (PDDR), vatsian’ny BM vola. Toy ny tetezana miisa telo vita amin’ ny « béton » any Ambohiman­droso RN7, PK 86, ny any Manandona (PK 186) ary any Iarintsena (PK 471). Eo koa ny lalan-drano (dalots) sy ny tetezana any Manombobe Ilakaka (PK 732). Nanatanteraka ireo asa ireo ny orinasa Sogea Satom sy ny SCB. Miisa 8 ny ampahan-dalana tena ratsy narenina amin’ny RN7 noje­rena, entina hanatsarana ny fifamoivoizana.

Hatao godirao ny RN 10
Tonga tany amin’ny lalam-pirenena RN 10 ihany koa ireo delegasiona. Nojerena ny fizotry ny asa, izay hatao godirao ny ampahany eo Andranovory hatrany Ampanihy. Natao ity fidinana ifotony ity mialoha ny hanokafana ny antontan-taratasy mirakitra ny tolo-bidy iraisam-pirenena ho an’ny orinasa hanatanteraka azy, ao anatin’ ny Tetikasa hisian’ny fitomboan-karena iraisan’ny rehetra (PCMCI). Tanjona ny hananana fotodrafitrasa tsara kalitao sady manaraka ny fenitra takina mba haharitra.
Mitentina 200 tapitrisa dolara ny fampindramam-bola avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Ida) ao anatin’ ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany, ny Tetikasa hampandrosoana maharitra ny sehatry ny lalana (PDDR). Tanjona ny hikojakojana ny lalana eto Madaga­sikara, mirefy 1 200 km, mba haharitra sy manara-penitra, afaka miatrika ny loza voajanahary.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: