Miaina kely ny mpanjifa ! Manomboka miakatra tsikelikely ny voka-bary eto an-toerana amin’izao tapaky ny avrily izao. Mifanojo amin’ny fiafaran’ny fotoam-pahavaratra, ka miha maina ny lalana any ambanivohitra, toerana tena ahitana ny fambolem-bary. Vokany, mihena tsikelikely ny vidim-bary eny an-tsena, na tsy tena mbola manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra aza. Nanomboka tamin’ity herinandro ity, nidina ho 800 Ar ny kapoaka, na 2 800 Ar kilaon’ny vary gasy mena sy ny tsipala eny Andravoahangy sy Anosibe, raha 900 Ar (3 150 Ar/kg) tany aloha. Amidy 900 Ar ny kapoaka na 3 150 Ar ny kilaon’ny vary dista sy ny makalioka.
Mifanahatsahana amin’ ireo ihany koa ny vary hafarana avy any ivelany. Amidy 900 Ar ny kapoakan’ny vary « stock » na 3 150 Ar/kilao. Marihina fa miankina amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny hivarotana ny vary hafarana avy any ivelany. Nidina ho 624 dolara ny vidin’ny 1 taonina, izany hoe, 2 800 Ar ny kilao, ny volana febroary 2024 teo, raha nahatratra 660 dolara (2 970 Ar/kg) ny janoary. Vidiny miala any ifotony ireo, fa tsy mbola ao anatiny ny saram-pitateran’ny sambo sy ny ety an-tanety ary ny masonkarena samihafa.
Njaka A.