Hanohana sy hanampy ny firenena malagasy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary. Vonona hanatanteraka ny fandaharanasan’ ny FMI i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny toekarena.
Mitohy hatrany ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny delegasionina malagasy mandritra ny fihaonamben’ny lohataona any Washingthon DC. Voaresaka manokana ny momba ny fampandrosana ny toekarena. Nisy, araka izany, ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), ny alakamisy teo. Nisongadina nandritra ny dinika niarahan’ny roa tonta ny mahakasika ny « Facilité pour la résilience et de la durabilité (FRD) » izay mikendry hanampy ireo firenena hiatrika ny voina. Tao anatin’izay, nanolo-kevitra momba ny fitantanana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiatrehana ny loza voajanahary ny FMI. Voaresaka ihany koa ny fanomanana ny fahatongavan’ny iraky ny FMI manaraka. Ireto farany, izay hiaraka amina manam-pahaizana avy any Amsterdam. Eo koa ny fampirisihana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana izay miankina amin’ny ezaka hatao. Novoaboasana nandritra ny fihaonana ny fampirisihana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana izay miankina amin’ny ezaka hatao.
Fandaharanasa
Voaresaka nandritra ny dinika natao ny fanavaozana ny « Programme sur la facilité élargie de crédit » (FEC). Naneho ny fahavononany amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa apetraky ny FMI i Madagasikara, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra, tamin’ny alalan’ny visio-conférence nataony. Ankoatra izay, tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana, ny alakamisy teo, ny mahakasika ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha-olona (capital humain). Nahazo tombony tamin’ny alalan’ny Global shield i Madagasikara, nandritra ny fandraisana anjara teo amin’ny fihaonana tamin’ny V20, tamin’ny alalan’ny lohahevitra mahakasika ny capital humain. Ao anatin’izany ny fiarovana ara-tsosialy sy ara-bola amin’ny loza ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Henintsoa Hani