Miaka-bokatra : mihena hatrany amin’ny 2 350 Ar ny kilaom-bary

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana miaka-bokatra ny ao Imerintsiatosika. Mitobaka eny an-tsena, araka izany, ny vary avy any an-toerana ka tsy atahorana ny tahiry. Ankehitriny, tafidina hatrany amin’ny 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry raha mbola 1 630Ar izany teo aloha. Midina ho 2 350Ar ihany koa ny kilaon’ny vary fotsy raha 2 500Ar ny vary gasy mena manalalondo. Mbola miandrandra ny fidinan’ny vidim-bary ireo mpandraharaha noho isika tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoanan’ny fararano. « Mbola hidina io vidiny io satria vanim-potoana miaka-bary isika amin’izao », hoy Rakotonjanahary Urbain, mpandraharaha ao Imerintsiatosika, izay efa 30 taona mahery niseharana tao anatin’ny raharaham-bary. Ny herinandro teo, nidina teny ifotony niaraka tamin’ireo solontenan’ny fikambanan’ny mpanjifa ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC) sy ny Foibem-pitondrana misahana ny varotra anatiny (DCI) nanamarina ny vokatra sy ny vidim-bary vaovao ireto tomponandraikitra ireto.
Maro karazana ireo vary vokatra eto an-toerana azon’ny mpanjifa isafidianana, toy ny vary botry (semence), vary an-tanety, vary tsipala sy ny maro hafa.

Henintsoa H.

Partager sur: