Fiahiana fahasalamana : nanao hetsika ny Mii’zara

Nanao hetsika maimaimpoana ho an’ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny amin’ny EPP Ambohimarina ny fikambanana Mii’zara, omaly. Notan­terahina teny amin’ny CSB II, Ambatolampy Tsimahafotsy izany hetsika ara-pahasalamana izany. Nambaran’ny filoha mitarika ny Mii’zara, Rarivo Fafah, fa natao izao hanampiana ny mponina eo amin’ny lafiny fahasalamana manoloana ireo aretina samihafa. “Mirongatra ny tazo fa eo koa ny tsy fahampian-tsakafo miteraka tsy fahampian’ny lanjan’ireo zaza”, hoy izy. Manampy izany ny fizarana ody kankana sy ny fanaovam-baksiny ary koa ny fanentanana ny vehivavy amin’ny fandrindram-piterahana. Eo koa ny fijerena ny nify sy ny ativava, araka ny nambarany. Nozahana maimaimpoana sy nanaovana fitiliana ireo ankizy, toy izany koa ny lehibe tamin’izany.
Nisitraka izao hetsika izao ireo olona miisa 350 tonga teny an-toerana ka anisan’izany ireo olon-tsotra teo amin’ny manodidina.
Tsiahivina fa hitohy amin’ ny toerana hafa ny hetsika ataon’ny Mii’zara tahaka izao ho fanampiana ny mpiara-belona.

Synèse R.

Partager sur: