Fambolena: Ilaina ny fampiasana masomboly voafantina

Miakatra hatrany amin’ny 30% ny taham-bokatra ho an’ireo mampiasa masomboly voafantina sady voamarina. Mahatratra 20 mianadahy ireo mpitsirika sady mpanara-maso, vaovao.

Nanao ny fianianany tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, omaly, ireo 20 mianadahy, nahavita fiofanana ho mpitsirika sy mpanara-maso ny masomboly. Avy any amin’ny faritra fito (Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Boeny, Diana, Sava, Vakinankaratra) izy ireo.
Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Mine), Ratoharijaona Suzelin, fa « mbola vitsy anisa ireo mpitsirika ny masomboly eto amintsika, ka izay no antony nanaovana izao fampiofanana izao. Vitsy ihany koa ny mampiasa masomboly voafantina eto Madagasikara, satria mbola ny 20% ihany raha ny antontanisa ».
Ilaina ny fananana olona manana traikefa manokana mba hanohana ny tantsaha mpamokatra, hampiakarana ny vokatra. Miha maro ny tantsaha, ny fikambanan’ny tantsaha, ny kaoperativa, ny orinasa tsy miankina mamokatra masomboly voafantina. Manamarina sy manome mari-pahalalana ny mpitsirika, satria misy ny fenitra arahina.
« Tanjona ny hanatsarana sady hampitomboina ny vokatra masomboly tsara kalitao sy voamarina. Vinavinaina hiakatra hatrany amin’ny 30% ny taham-bokatra amin’izany », hoy ihany ny minisitra, Ratoharijaona Suzelin.

Hisy mpitsirika isaky ny distrika
Ny injeniera no lasa mpitsirika (inspecteur) ho an’ny masomboly, raha sokajiana ho teknisiana ny mpanara-maso (contrôleur). Nambaran’ny minisitra fa hanampy tsikelikely ny isan’ireo efa miparitaka any amin’ny isam-paritra izy ireo. Tanjona ny mba hisian’ny mpitsirika isaky ny distrika.
Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), tamin’ny alalan’ny sampandraharaha ofisialy miandraikitra ny fanaraha-maso ny masomboly sy ny fitaovam-pambo
lena (SOC) no nahafahan’izy ireo nanaraka ny fiofanana ao anatin’ny tetikasa Purpa*. Namatsy vola ny tetikasa ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad).

Njaka Andriantefiarines

Partager sur: