Fandraharahana: hitsangana ny « Palais de l’entrepreneuriat »

Ho fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, hiara-hiasa ny federasion’ny Ante­nimi­eran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MIC) amin’ny fananganana ny Lapan’ny fandraharahana (palais de l’entrepreneuriat). Hitsangana tsy ho ela ny vovonana izay ivon’ny fifanakalozana eo amin’ny mpandraharaha sy ny mpanjifa ary ny samy mpandraharaha. Hivoaka tsy ho ela ihany koa ny tahirin-kevitra mirakitra ny mombamomba ny mpandraharaha isaky ny faritra. « Tanjona, araka izany, ny hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny », hoy ny filoha ny FCCIM, Laou-Po Wing Wilfrid, nandritra ny fivoriana natao, ny zoma teo.
Anisan’ny mampidi-bola ao amin’ny kitapombolam-panjakana, amin’ny alalan’ny hetra, ny tontolon’ny fandraharahana. Ankehitriny, mano­mboka miarina ity sehatra ity taorian’ny krizin’ny Covid-19. Niakatra 12% ihany koa ny tahan’ny fandoavan-ketran’ireo mpandraharaha madinika izay mampidi-bola mihoatra ny 400 tapitrisa Ar isan-taona.

Henintsoa H.

Partager sur: