Madagascar Oil: voakorontan’ny resaka fitsarana ny tetikasa Tsimiroro

Nifindra aty Madagasikara rehefa avy any Bermudes, Maorisy. Voakitikitika ny seha- piharian’ny orinasa Madagascar Oil, satria tratry ny disadisa ara-pitsarana tsy manam-pahataperana ny orinasa reniny US Holding Ltd.

Efa manana ny lanjany amin’ny famatsiana eto an-toerana, ny solika ma­vesatra vokarin’ny Mada­gas­car Oil SA (MOSA), efa ho he­rin­taona mahery izao. Mi­antraika any aminy anefa ny raharaham-pitsarana mahazo ny orinasa reniny, ny US Hol­ding Ltd any Bermudes any amin’ny Nosy Maorisy. Nilaza ny Admi­nistratera jeneraly (AG) ny MOSA, Scott A. Reid, fa « efa niverina tamin’ny laoniny tsikelikely ny fihariana, saingy mihemotra indray izany, raha vao niditra tampoka ny orinasa BMK Resources Ltd ».
Taorian’ny raharaham-pi­tsarana, nanomboka ny taona 2022, lasan’ny BMK Resour­ces ny renivola be indrindra ao
amin’ny US Holding Ltd, sady miahy mivantana ny orinasa MOSA eto Madagasi­kara. Araka ny loharanom-baovao anefa, tsy mitovy hevitra amin’
izany ny sokajin’ny mpandraharaha ara-toekarena maro eto Madagasikara sy ny ao anivon’ny MOSA.
Nambaran’ny AG an’ity orinasa ity, tany anatin’ny taratasy nalefany ho an’ireo mpanjifan’ny orinasa, fa «tsy ara-dalàna ny fomba nanesorana azy, nandritra ny fivoriambe, natao ny 8 avrily 2024 teo, sady tsy manaraka ny satan’ny orinasa sy ny lalàna eto amin’ny firenena».

Trosa 40 tapitrisa dolara

Tratry ny didim-pitsarana manakatona azy ny orinasa US Holdings Ltd any Bermu­des Maorisy. Antony, tsy na­haloa ny trosany, manodidina ny 40 tapitrisa dolara, tamin’ny mpampindram-bola azy, ny Outrider Master Fund Ltd. Ni­ta­dy mpamatsy vola azy ny ori­nasa nandritra ny herintaona, saingy tsy nahita. Koa, na­napaka ny Fitsarana avo any Bermudes, ny 2 avrily 2024 teo, fa afaka mitazona ny renivola rehetra ao amin’ny Mada­gascar Oil Ltd any Mao­risy sy ny MOSA eto Madaga­si­kara ny BMK Resources Ltd, sady atao antoka ao anatin’ity raharaha ity. Mahatratra 61 183 423 dolara ny vola tsy maintsy aloan’ny orinasa reniny amin’ny Outrider Master Fund Ltd.
Miakatra any anivon’ny fitsarana koa ny nanafoanan’ny US Holding ny fifanarahana amin’ny Adminisitratera jeneraly ny orinasa MOSA eto Madagasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: