Fandraharahana : handray anjara amin’ny MECC i Madagasikara

Fotoana iray hampivondrona ireo mpandraharaha maneran-tany sy hitadiavana lalam-barotra any ivelany ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny varotra andiany fahadimy ao Kanada.

Hotanterahina ny 6 ka hatramin’ny 20 mey izao ny hetsika «Mis­sion économique et commerciale au Canada» (MECC) andiany fahadimy izay karakarain’ny Chambre de commerce et de Coopération Canada-Madagascar (CanCham). Hi­so­lon­tena an’i Madagasikara ireo mpandraharaha 16 handray anjara amin’ny hetsika. Fotoana iray hampivondrona ireo mpandraharaha maneran-tany ny MECC ka hahafahana mitady lalam-barotra ao amin’ny tsena kanadianina. «Mbola malalaka ny lalam-barotra any an-toerana saingy tsy haintsika ny mitrandraka azy», hoy ny filohan’ny CanCham, Randrianarivony Haingo. Tsy misy miala maina nefa ireo nandray anjara tamin’ny hetsika hatramin’izay. Lany avokoa ny ankamaroan’ ny entana rehetra, ao ireo mahazo fifanarahana ara-barotra raha mandraikitra fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha any an-toerana kosa ny hafa, araka ny fanazavana voaray.
Nampahafantarina ny talata teo, teny Antanimena, ny momba ny hetsika sy ny tontolony.

Tsara kalitao
Be mpitady sy mahasarika ireo teratany vahiny ny vokatra malagasy, indrindra ireo vokatra « bio ». Tafiditra ao anatin’izany ny lohamenaka (huiles essentielles), ny hanitra fanao amin’ny sakafo, ny hazandrano, ny voamaina, ny vary sy ny maro hafa. Mitombo isan-taona ihany koa ny vokatra lany mandritra ny MECC izay nahazoan’ireo mpandraharaha hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara tamin’ny taon-dasa. Fanamby, araka izany, ny hampiakatra hatrany ny famokarana sy hamaly ny filan’ireo teratany vahiny. Ireto farany izay mitady vokatra aman-taoniny isam-bolana. « Fotoana iray nahazoako fifanaraham-piara-miasa tamina mpandraharaha vahiny ny MECC ka handraikitra izany izahay amin’ity hetsika ity », hoy i Vanontsara Olivia, tompon’ny orinasa Agri Export.

Henintsoa Hani

Partager sur: