FANTINA sy FINTINA

Manana ny lanjany manokana ara-toekarena sy ny fanjarian-tsakafo ny mangahazo. Manohana ity lalam-pihariana ity ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Manampy azy amin’izany ny Ivontoerana iraisam-pirenena momba ny fambolena aty amin’ny tany mafana (IITA).
Ao anatin’ny Drafi-pampandrosoana ny faritra (PRD) Itasy ny fiarovana ny tontolo iainana. Natolotra ny 26 avrily teo ny PRD, ka omena lanja manokana ny fitantanana maharitra ny ala tapia, ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny doro tanety, ny fiarovana ny farihin’Itasy, ny fambolen-kazo midadasika, ny fitantanana ny filana hazo, sns.
Nikatona vonjimaika nanomboka omaly ny masoivoihon’ny kaompania Madagascar Airlines ao La Réunion. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny nanatsaharana ny sidina mankany amin’ity nosy rahavavy ity. Ny taona 2026 vao hanohy ny sidina mankany ivelany ny kaompania ary hifantoka manokana amin’ ny sidina anatiny.
Miasa eo amin’ny tsy ara-dalàna avokoa ny 90% ny mpiasa eto Madagasikara. Mampidi-doza sady tsy azo antoka ny fepetra hiasana. Tsy misitraka fiahiana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana ny mpiasa. Ahina ho tafalatsaka anaty fahantrana lalina ihany koa raha sanatria misy marary noho ny tsy fisian’ny fidiram-bola marim-pototra.

Partager sur: