Mpandeha miisa sivy naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tampoka teo am-pidirana ny tanànan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nitondra mpivarotra saika hihazo an’i Vohipeno io taksiborosy io no tra-doza tampoka. Tapa-tanana ny mpandeha sasany. Tsy nisy aina nafoy. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo naratra.
Mpanendaka avy nanao ny asa ratsiny nifanenjehan’ny mpihazakazaka maraina ka nitsoraka tao amin’ny ranon’Ikopa, omaly. Maizimaizina ny andro ka tsy hita ny nanjavonan’io olon-dratsy io. Nitazana sy nanara-maso ny manodidina ireo mpanara-dia saingy tsy hita ny nandosiran’io lehilahy io.
Lehilahy iray mpanao hala-boty voasambotry ny fokonolona tao Androhibe, alarobia, ny halina teo. Tezitra ny lasibatra ka tsy namelan’izy ireo raha tsy nosamborina io lehilahy io. Akoho an’ny mpiray tanàna taminy ihany no nalainy. Nandray an-tanana ny raharaha ny vaomiera misahana ny fandriampahalemana.
Mpangalatra iray naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona tao Antanamalandy, Mahajanga, ny alarobia 1 mey teo. Tratra teo ampangalarana “parpaing” tamin’ny trano eo andalam-panamboarana izy. Niezaka nandositra kanefa noraisim-potsiny.