Holafitry ny mpanao gazety : “Mbola olana ny fahazoana loharanom-baovao”

Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, fa betsaka ny fitarainan’ny mpanao gazety sy ny tatitra voaray momba ny fahazoana vaovao. Nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny tenany, manoloana izany.

“Olana ny fikatonan’ ireo loharanom-baovao ka entanina ny mpitondra mba hanome vaovao fa tokony hitondra fiovana eto amin’ny firenena izany raha mandeha ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety satria manaraka ny vaovao ampitain’ny mpanao gazety ny fandraisana fanapahan-kevitra… Mifampiankina izany”, hoy izy. Nanteriny fa zon’ny mpanao gazety ny fampisitrahana ny zo fototry ny olom-pirenena amin’ny fahazoana vaovao. Na izany aza, nambarany fa anisan’ny am­bana amin’ny asa fanaovan-gazety ny sivana sy ny heri­setra.
Etsy andaniny, nanambara ny minisitry ny Serasera sy ny fifandraisana mpisolo toerana, Rasata Rafaravavitafika, fa tsy mora ny asa fanaovan-gazety.

Firoboroboan’ny teknolojia

Anisan’izany ny firoboroboan’ny teknolojian’ny fifandraisana ka eo no tena ilana ny asa fanaovan-gazety, in­drindra amin’ny famoahana ny vaovao marim-pototra, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa hiatrika fifidianana isika ka manana andraikitra amin’ izany, ho fametrahana ny de­mokrasia, ny mpanao gazety.
Tsiahivina fa tafiditra amin’ ny faha-50 taonan’ny OJM izao Andro maneran-tany ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izao. Ani­san’ny hetsika natao ny fana­tsarana ny tsangambato etsy Soarano. Nisy ny adihevitra momba ny fampahalalam-baovao miasa ho an’ny pla­neta sy ny fahatrotrahan’ny tontolo iainana ary ny hamehana eo amin’ny asa fanaovan-gazety. Manampy izany ny fampirantiana sary iarahana amin’ireo mpanao gazety mpaka sary.

Synèse R.

Partager sur: