Vehivavy iray naratra nianjera avy eny ambony taxi-be teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. teo am-piakarana ilay fiara fitateram-bahoaka izy no nandroso tampoka ny fiara ka tsy nahafahatra ny tongony. Naratra, vokatr’izany, izy saingy tsy noraharahin’ny mpamily sy ny resevera. Ireo olona nangoraka azy no nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana.
Lasibatry ny fanendahana ireo mpandeha taxi-be eo amin’ny fiantsonana voninkazo Anosy. Tovovavy iray handeha hody any Ampitatafika no nendahin’ny jiolahy roa mibaby kitapokely. Mody misisika toy ireny mpandeha taxi-be ireny zalahy, kanjo nanataka ny poketran’ilay tovovavy. Lasa ny finday avolenta sy ny fitoeram-bola.
Naratra mafy ny lehilahy iray notrongisin’ny omby tany Ambohimiadana Ankaditany, ny sabotsy tolakandro teo. Tsy nanampo na inona na inona izy tamin’io fotoana io satria nifanena tamina mpandroaka omby. Tampoka teo anefa, notrongisin’ilay omby izy ka nianjera tamin’ny arabe. Ireo olona nahita izany no nifanome tanana nisintona azy.