Manameloka ny herisetra sy ny fanakorontanana nandoroana ny tranon’ny iray amin’ny komity mpanohana azy, any Faratsiho, ny kandidà Lalatiana Rakotondrazafy. Niseho ny alahady teo izany raha efa andro vitsy mialoha ny fandrahonana hanaovana asan-jiolahimboto. “Efa nametraka fitoriana izahay ary manantena sazy henjana”, hoy izy.
Samy nanana ny paikady nanombohana ny fampielezan-kevitra ireo kandidà, afakomaly. Nentina am-bavaka tetsy amin’ny Magro Behoririka ny kandidàn’ ny Firaisankina, raha diabe nifarana tetsy Soarano kosa ny an’ny kandidà Irmar, Andriamananoro Augustin. Nanomboka ny azy teny Ambohimangakely ny Kolektifa, tarihin’Andrianainarivelo Hajo.
Mbola nanao antso avo ho an’ny fanavotana miaraka ny tanindrazana ny eo anivon’ny Antenimieran’ny raiamandreny sy ny foko (ARFM), araka ny nambaran’izy ireo. Naneho fahavononana izy ireo amin’ny fitarihana ho amin’ny fidinana an-dalambe raha tsy misy ny fanovana eto amin’ny firenena.
Voatendry ho masoivoho vaovao avy amin’ny fanjakan’ i Royaume Uni eto amintsika i Patrick Martin Lynch. Handray izany toerana izany amin’ny volana aogositra ho avy izao ny tenany. Hisolo ny toeran’ny ambasadaoro amperinasa, David Willima Ashley, izy izany manomboka amin’io fotoana io.