TSELATRA

Zazavavy miisa roa hita faty tao Amparema­hitsy, Mahajanga II, afakomaly. Mpanjono handeha hiasa no nahatsikaritra ny fisiana fatin’olona iray ka niantso ny manodidina. Ny tolakandro, zazavavy iray hafa manodidina ny 6 taona hita faty natsingevan’ny rano tsy lavitra ny toerana nahitana ilay zaza hitan’ny fokonolona vao maraina. Misokatra ny fanadihadiana.
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Pasikely, afakomaly. Teo am-pikononkononana hanao fanafihana tao Analampiringa, fokontany Betlehema, kaominina Namatoana, distrikan’Ambatolampy, i Pasi­kely sy ireo namany roa no nifanehatra tamin’ny zandary. Jiolahy efa mpamerin-keloka ireo mbola nikasa hanao fanafihana ireo.
Lehilahy iray nikasa hamono tena teny amin’ny reniranon’Ikopa, omaly maraina. Ireo mpanasa lamba vao maraina kosa no nanavotra azy. Efa nitsoraka tao anaty rano izy no hitan’ny olona. Nifanome tanana nanavotra azy ny olona ka avotra soa aman-tsara ihany izy. Ny fanazavany tamin’ireo olona namonjy azy no nahafantarana fa olana ara-pitiavana no antony nahatonga azy hamono tena.
Jiolahy iray no nifanenjehan’ny fokonolona teny Ambohimangidy Ampitatafika, omaly maraina. Avy namaky lakozian’olona tao amina tokantrano iray eny an-toerana izy no nifanenjehan’ny olona. Lasany tamin’izany ny vilany mbola nisy ambin-daoka. Tsy hita intsony anefa ny nanjavonany taorian’ny fifanenjehana satria mbola maizina rahateo ny andro.
Tapa-tongotra ny mpitondra moto iray nifandona tamina fiara kely iray teny Bongatsara, omaly tolakandro. Nikasa hisongona fiara iray teo aloha ilay mpitondra moto no nifanehatra tamina fiara iray teo alohany. Tafapitika teny ambony moto izy. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ilay niharam-boina.

Partager sur: