TSELATRA

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy namboly rongony sady mivarotra izany tao amin’ny fokontany Tsararano ambany, kaominina renivohitra Mahajanga, omaly maraina. Nambolen’io lehilahy io anaty “pot” niisa 71 ireo zava-mahadomelina. Mikirakira rongony mahery vaika “héroïne” koa izy.
Zaza miisa roa niara-maty voahitsaky ny kamiao tao Morafeno, Amboasary Atsimo, afakomaly. Lany rivotra tampoka io fiara io ka nifatratra tamina fiara maromaro tamin’ny sisin-dalana. Ankoatra ireo namoy ny ainy, iray hafa naratra nalefa eny amin’ny tobim-pitsaboana eny anivon’ny hopitaly.
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana, fantatra amin’ny anarana hoe i Tombo, tao Iarindrano, kaominina Etrotroka, Farafangana, afakomaly. Nanao fanafihana tao amina tokantrano iray ao amin’io tanàna io izy niaraka tamin’ny namany, tamin’io fotoana io. Nokapain’ireo jiolahy ny famaky ny tongotry ny zanaky ny tompon-trano. Tonga ny zandary ka tafaporitsaka ry zalahy saingy maty voatifitra i Tombo.

Partager sur: