MASOIVOHO AMERIKANINA : manentana propagandy tsy misy herisetra

Namoaka fanambarana amin’izao hiatrehina ny fifidianana solombavambahoaka izao ny masoivoho amerikanina. Tafiditra ao anatin’izany ny fanombohan’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. “Raisinay ho porofon’ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao. Zava-dehibe ny fanatanterahana ny fifidianana malalaka sy ara-drariny ary am-pilaminana”, hoy ny fanambarana.
Nanentana ny vahoaka malagasy koa izy ireo mba handray anjara mavitrika sy am-pilaminana amin’ny zotram-pifidianana. “Aoka tsy hisy herisetra sy fandrahonana ary hosoka izany”, hoy ihany ny Amerikanina. Nan­terin’ny fanambarana fa manan-danja lehibe eo amin’ny fifandraisan’izy ireo maneran-tany ny fampiroboroboana ny soatoavina demokratika, ary manohana ny ezaka rehetra mba hisian’ny fifidianana mangarahara eto Mada­gasi­kara izy ireo, araka ny fanambarana hatrany.
Nanao antso avo amin’ny mpitondra sy ireo mpilatsaka hofidina ary ny olom-pirenena rehetra koa ny Amerikanina mba hanao fampielezan-kevitra am-pilaminana sy mampivoatra. “Maneho ny tena fampiharana ny demokrasia sy ny fametrahana fanjakana tan-dalàna”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa vao avy nihaona tamin’ireo eo ani­von’ny mpitarika ny vovonana Firaisankina, teny Andrano­mena, ny masoivohon’i Eta­zonia. Naharitra ora roa ny fihaonana ary henjankenjana ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ta­min’izany.

Synèse R.

Partager sur: