Rabekijana Félix: “Tsy mety ny fanalana lehibem-pokontany “

“Maninona no misy lehiben’ ny fokontany soloina amin’ izao? Na tomponandraiki-panjakana afindra toerana na soloina… Nefa ankatoky ny fifidianana izao. Tsy manakana ny fanalana na fanoloana mpiasam-panjakana izahay. Fotoana mahamety ny fanaovana an’izay ve izao?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix, manoloana ny fanalana lehiben’ny fokontany 14, ao amin’ny boriborintany IV, Antananarivo Renivo­hitra. Fotoana tsy tokony hisi­an’ny fitoniana ve izao? Aleo aloha ho vita ny fifidianana dia hafindra ny tomponandraikitra rehefa tsy mahavita ny asany. Tsy mety ny fanalana na fanoloana tomponandraikitra alohan’ny fifidianana, nefa tsy mirotsa-kofidina na manao fampielezan-kevitra. Aleo handeha amin’ny rariny sy ny hitsiny ny fitantanana tomponandraikitra, ary atao ny hoe fanjakana tan-dalàna.
Raha ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny lehiben’ny fokontany, mivory ny fokonolona. Amin’izany izy no mifidy olona eo anivon’ny fokontany, ary mandefa izay anarana olona telo voafidy, alefa any amin’ny lehiben’ny distrika. Avy eo, ny lehiben’ny distrika no mifidy izay hotendreny ho lehiben’ny fokontany. Fa tsy hoe alana ity, hametrahana an’iry. Tsy mety izay. Ny fivoriana sy fifidianan’ny fokonolona anarana telo no lalàna tokony hampiharina.

Tsy nahazo rariny teo anatrehan’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ireo lehiben’ny fo­kon­tany 14, na nitory aza fa tsy manana fiandaniana ami­na kandidà amin’izao fifidianana depiote izao.

R. Nd.

Partager sur: