FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola very fanantenana ny filoha Rajoelina ny amin’ny fitakiana ireo nosy malagasy eo an-tanan’i Frantsa, araka ny nambarany tamin’ny gazety Paris Match, ny herinandro teo. Nanteriny fa hiverina hitohy indray ny dinika eo amin’ny roa tonta ato ho ato ho amin’ny fifampiraharahana momba izany.
Takin’ny Otrikafo ny hanoneran’i Frantsa vola amintsika noho ny fitrandrahany ny harena an-taonany maro tao amin’ireo nosy malagasy. Eo koa ny fangoronan’izy ireo entana hiala ao amin’ireo tanintsika maromaro ireo, araka ny fanambarana nataon’ity antoko ity, taorian’ny fanambaran’ny filoha Rajoelina ny hivere­nan’ny dinika eo amin’ny roa tonta.
Voaheloka telo taona mahery an-tranomaizina Andrianarisoa Romy, araka ny didy navoakan’ny fitsarana Britanika, ny herinandro teo. Roa taona sy telo volana kosa ny sazin’ilay namany, i Philippe Tabuteau. Tsiahivina fa nitory azy ireo ny orinasa Gemfield any Angeletera noho ny resaka kolikoly nikendrena vola 225 000 livres sterlings.
Efa fanao nefa tsy mety ny endrika kolikoly amin’ny fifidianana eto amintsika, araka ny nambaran’ ny firaisamonim-pirenen’ny tanora. “Tsy takatry ny rehetra ny tena andraikitry ny depiote… Eo koa ny tsindry amin’ny mpiasam-panjakana ka mety hafindra toeram-piasana… Ahina ny hosoka sy korontana amin’io fifidianana io”, hoy izy ireo.

Partager sur: