TSELATRA

Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass akaikin’ny Domaine, omaly hariva. Olona nanao taingin-droa tamin’ny moto ireto tra-doza tampoka ireto. Nifandona tamin’ny kamiaobe ka ilay olona nipetraka taorian’ilay mpitondra moto no voahitsaka. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy.

Fasana telo nisy namaky tao Ambohipeno, kaominina Arivonimamo, afakomaly alina. Razana miisa 34 nasa­voritak’ireo mpangalatra. Razana sivy no very tao amin’ilay fasana voalohany, raha 25 kosa very tao amin’ilay faharoa. Tsy fantatra mazava kosa ny isan’ireo razana very tao amin’ ilay fasana dongon-tany fahatelo.

Ramatoa iray naratra mafy voatsindron’antsy teo amin’ny sandriny, omaly maraina, teny Anosibe Tsena. Handeha haka entana vao maraina izy no nifanehatra tamina jiolahy telo nitondra antsy. Na teo aza anefa ny ratra nahazo azy, tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy satria afaka niantso vonjy ilay niharam-boina. Lasa nitsoaka ireo jiolahy.

Simba tanteraka ny tranon’olona nianjeran’ny kamiaobe iray mpitatitra entana tao Talata Ampano, afakomaly tolakandro. Nieren-doza ireo olona tao an-trano. Tsy nisy ny aina nafoy na teo aza ny fahasimbana. Voalaza fa olana teknika tao amin’ilay fiarabe no nitarika ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary.

Dahalo roa maty voatifitra raha roa hafa azo sambo-belona nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary tao Tsinjorano Ankijabe, Ambatoboeny, ny sabotsy teo. Nitrangana fanafihan-dahalo tao an-toerana, tamin’io fotoana io. Maty nandritra izany ny raim-pianakaviana tompon-trano. Voaroba ny vola 3 700 000 Ar. Mitohy ny fanarahan-dia.

Partager sur: