Sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery : “Misy kandidà misandoka ho natolotry ny Irmar…”

Hentitra ary nahitsy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, omaly. Nambarany fa misy mitonona ho kandidà mpanohana ny fitondrana nefa tsy Irmar akory.

“Tsy misy kandidà de­piote mahaleo tena izany ka manohana sy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Ireo nahazo ny tsodranon’ny foibe ihany no kandidàn’ny Irmar sy natolotra ary nankatoavin’ny filoha mpanorina Rajoelina”, hoy izy. Nohitsiny fa tena misy misandoka ho Irmar sy milaza ho mpa­nohana fitondrana ny sasany amin’ireo kandidà depiote. Nambarany fa tokony hotohanana ireo kandidà efa naro­tsaka ireo raha hiara-kiasa ihany. Niaiky ny tenany fa tsy tonga lafatra izao fitondrana izao nefa efa mizotra tsikeli­kely ho any amin’ny fiovana.
Nankasitrahany koa ireo nanaiky ny fandaminana ka tsy nirotsaka na amin’ny m­a­haleo tena aza. Nampanan­­te­nainy fa mbola misy ny toerana na tsy ho amin’izao aza izany. “Ilaina hatrany ny fanarahana ny fitsipika anatin’ny antoko, hisorohana ny fivadibadihana palitao”, hoy ihany izy.

Fivadibadihana palitao
Notsiahiviny fa efa nihatra izany tamin’ny depiote sy loholona ary tsy hamindrana fo intsony ho an’ireo tsy manaraka ny fifampifehezana eo anivon’ny antoko sy ny hampiharana ny andininy faha 72 amin’ny Lalàmpanorenana, araka ny nambarany.
Notsindriny fa anisan’ny tsy nampandroso sy sakana ho an’ny fampandrosoana ny fivadibadihana tahaka ireny teo aloha nataon’ny depiote sasany ireny. “Hiteraka tsy fahamarinan-toeran’ny fitondram-panjakana izany ary ho tonga amin’ny lalana tsy izy. Nanao sonia fifanarahana izao mihitsy nefa nivadika”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: