“Tokony hahay handray olona sy hanome fahafaham-po azy ireo isika… Ilaina koa ny lenta sy ny kalitaon’ny asa sy ny didim-pitsarana”, hoy izy. Niantefan’izany avokoa na ny mpitsara sy ny mpandraharaha na koa ny “bénevole” sy ny mpandraharahan’ny fonja. Nentaniny hatrany ny rehetra hanafaingana ireo raharaha tonga eny anivon’ny fitsarana. Fantatra tamin’izany fa vinavinaina ho vita anatin’ny dimy ka hatramin’ny enim-bolana ny fitsarana ireo raharaha miisa miisa 50 000 eo anivon’ ny fitsarana ambaratonga
voalohany eto Antananarivo. Tafiditra amin’ny tantsoroka eo amin’ny tsy fahampian’ny olona sy ny fampitaovana koa ny asan’ny minisitera ka hanampy mpirakidraharaha miisa 50. “Hifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany fanafainganana ny raharaham-pitsarana izany izy ireo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana.
Nambarany fa hatao koa ny fivoriana efa fanao amin’ny mpirakidraharaha, na efa tsy tafiditra intsony ao anatin’ny 100 andro aza, fepetran’ny fitondram-panjakana. Eo koa ny lafiny fampitaovana tahaka izao.
Tsiahivina fa miisa 25 ireo ordinatera sy kojakoja miaraka aminy natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo. Natao izany mba ho fanatsarana ny fitaovana, ahafahana manafaingana ny raharaham-pitsarana. Mbola hisitraka fitaovana tahaka izany koa ireo fitsarana rehetra manerana ny Nosy, araka ny filana voasoratra.
Synèse R.