Nametraka fehezam-boninkazo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly, ireo zokiolona mpikambana eo anivon’ny Hetsiky ny 13 mey. Tsy nahazoana alalana izany ka napetraka amin’ny toerana hafa eo Analakely, noho ny mpitandro filaminana efa niatrana manoloana ny Lapan’ny Tanàna.
Hamory ireo solontenan’ny vondron’antoko mandray anjara amin’ny fifidianana depiote ny eo anivon’ny Ceni, anio. Fivoriana voalohany ho an’io rafitra tsy maharitra io izao hatao eny Alarobia izao, araka ny voalazan’ny lalàna ary mijoro amin’izao vanim-potoan’ ny fifidianana solombambahoaka izao fotsiny ihany.
Efa lasa any Besalampy, ny faran’ny herinandro teo, ny antontan-taratasim-pifidianana, toy ny biletà tokana anjaran’izy ireo, nanombohana ny fizarana. Hitohy any amin’ny distrika hafa izany ary hamaranana azy kosa ny fitsinjarana ho an’ny boriborintany enina eto Antananarivo. Ambenana eny amin’ny toby miaramila eny Ivato izay ambiny.
Voatendry ho sefo fokontany eny Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany tao amin’ny “Facebook” fa ny manampy ny mpiray tanindrana no tena fitiavana. “Asam-panjakana no hataoko ary tsy afaka manao propagandy aho. Manatanteraka ny vinan’ny Filoha kosa anefa aho satria nanohana azy”, hoy izy.