«Misy ny fifampiraharahana eo amin’ny fanjakana afrikanina tatsimo amin’ny fanohizana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny famerenana io volamena io», hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, ny amin’ny volamena 73 Kg avy aty Madagasikara tratra tatsy Afrika Atsimo, efa-taona lasa. Miara-misalahy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny amin’izany, ary mandray anjara feno amin’ny vaomiera iombonana. Efa mifandray amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny tomponandraikitra thalaïndais ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy, ny amin’ireo sokatra radiata 48 sy sifaka 1 076 tratra tany an-toerana. Atao izay hamerenana izany amin’ny fomba faran’izay haingana eto Madagasikara.
“Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, misy ny fepetra tsy maintsy hajaina”, hoy kosa izy momba ny fifandraisana diplaomatika amin’ny Vondrona eoropeanina. Anisan’izany ny tsy fitsabahana amin’ny raharaha anatiny amin’ny firenena iray. Izay no niteraka ny fangatahana ny fanoloana ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina teto Madagasikara. Tsy vao voalohany no nisy an’izany fangatahana fanoloana izany. Matoa nisy izay, teo ny fitsabahana ao anatin’ny raharaha anatin’ny fanjakana malagasy. Na izany aza, mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina. Nohamafisina tamin’ny fankatoavana ny fifanarahana vaovao Samoa izany, izay misolo ny Fifanarahana Cotonou teo aloha.
R. Nd.