Fivondronamben’ny eveka: ”Solombavambahoaka miaro azy no ilain’ny vahoaka”

Nitondra ny heviny mahakasika ny fifidianana izay ho solombavambahoaka ny Fivondronamben’ ny eveka eto Madagasikara (CEM). Mila olona hiaro azy ny vahoaka, hoy izy ireo.

“Mila mahay manao fifaninanana madio sy mihaja ny mpirotsa-kofidina, fa tsy hifampitondra toy ny mpifahavalo. Ny asan’ny mazava dia ny soa sy ny fahitsiana ary ny fahamarinana”, hoy ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara (CEM), taorian’ny fivoriambe ara-potoana voalohany, ny herinandro lasa teo. Ho mailo hatrany koa ny mpifidy tsy ho latsaka amin’ny vela-pandrika, toy tolotolotr’ireo mpirotsa-kofidina. Olona hiaro azy no ilain’ny vahoaka ao anatin’ny hasarotam-piainana mangeja azy. Antenaina fa ao anatin’ny fifanajana sy filaminana no hanatanterahan’ny vahoaka ny fifidianana sy handraisany ny vokany.
Mitombo ny olona vitsy anisa miondana vola sy harena tsy fanta-piaviana. Mi­tombo ireo maro anisa milentika hatrany ao anatin’ny fahantrana lalina. Mitombo koa ny fidangan’ny vidim-piainana. Mbola maro ireo faritra anjakan’ny tsy fandriampahalemana. Mihapoti­ka hatrany ary tsy misy fa­namboarana ireo lalam-pirenena maro. Mitohy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fifampihainoana. Bara­nahiny ny famokarana sy fivarotana ary fidorohana zava-mahadomelina…
“Ny kolikoly no anisan’ny antony voalohany mampahantra an’i Madagasikara”, hoy ny hafatra. Mihamahazo vahana hatrany izany, manomboka any amin’ny ambaratongam-pahefana akaiky ny vahoaka tonga hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Matetika misy olona ambony sy mpanambola tsy azo ivalozana mibaiko azy ireny. Saika ny seha-piainana rehetra no tafiditry ny kolikoly; eny, na ny ao amin’ny Eglizy aza.

R. Nd.

Partager sur: