Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, fa efa maromaro ny fitarainana voaray avy amin’ny kandidà, manoloana ny tsy fanarahan-dalàna hitan’ny sasany amin’izany. “Entanina koa isika olom-pirenena hanao izany raha mahita tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy amin’izao fampielezan-kevitra izao”, hoy izy, teny Alarobia, omaly. Nanteriny fa tsy mbola naka fepetra aloha ny eo anivon’ny Ceni manoloana ireo fitarainana voaray. Nanitsy sy nanome torolalana ireo kandidà mba hiverina amin’ny ara-dalàna no nataon’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny soatoavina sy ny fikatsahana ny filaminana sy fitoniana amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao.
Ankoatra izany, nandray ny solontenan’ireo kandidà avy amin’ny vondrona na antoko politika ny eo anivon’ny Ceni. Efa voasoratra amin’ny lalàna izany, amin’ny alalan’ilay rafitra iarahana amin’ireo mpisehatra politika manana kandidà amin’ny fifidianana. Na izany aza, manatrika sy mandray anjara amin’ny adihevitra fotsiny ihany izy ireo. “Mitondra sosokevitra sy fanatsarana ireo avy amin’ny vondrona politika fa tompon’ny fanapahan-kevitra kosa izahay sivy mpikambana eo anivon’ny birao maharitra eto anivon’ny Ceni”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa ireo kandidàn’ny antoko politika ihany no tafiditra ao anatin’izany rafitra izany. Eny anivon’ny distrika kosa vao ahitana ny avy amin’ny mahaleo tena ity rafitra ity.
Synèse R.