“Tsy mbola hita soritra hatramin’izao ny fanovana nirintsika. Ny mpitondra no niova fa ny hadisoana sy ny fanao tsy mety miverina hatrany”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa manamarika ny tantara tokoa ny 13 mey. Tsy tokony ho kivy anefa fa antony hanohizana ny ady amin’ny fanovana izany. “Hatsahatrintsika amin’ny 29 mey izao izany”, hoy izy.
Ny loza mitatao amin’ny fiatrehana ny fifidianana sy ny fepetra raisin’ireo Antenimiera. Anisan’ireo lohahevitry ny diniky ny “Forum parlemantaire” eo anivon’ny SADC, omaly izany. Iarahana amin’ny Vaomiera misahana ny demokrasia, ny fitantanana ary ny zon’olombelona eo anivon’ny parlemanta izany. Depiote niatrika izany, i Tsiliva amin’ny alalan’ny “Viseo conférence”
Mandray anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena ny eo anivon’ny Transparency international-Initiative Madagascar. Tanterahina any Rio de Janeiro Brezila, manomboka anio hatramin’ny 19 avrily izao izany. Hifampizara traikefa sy fifanakalozana izy ireo amin’izany ary hampihatra ireo lesona azo ihany koa.
Tsipahin’ny fikambanana ADEPM ny fanakorontanana ny fampianarana, indrindra ho an’ireo kilasy manala fanadinana amin’ny fanerena ireo mpampianatra hampandany ny kandidàn’ny Irmar. Nambaran’ny mpikambana, Rakotomalala Armand, fa fanaovana sorona ny zaza izao sady adidy masina koa ny fanabezana.