TSELATRA

Nifanenjehan’ny fokonolona, lehilahy iray nanendaka mpanao gazety voasambotra teny Ambo­himanandray , Ambohimanarina, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nalainy ny rojo volamena nilanja 4,42 g. Namoaka io rojo io ilay mpanendaka taorin’ny fanerena azy. Efa mpamari-keloka amin’ny fanendahana sy hala-boty izy.

Nisy nanondraka lasantsy sy nanimpy afo ny varavaran’ny biraon’ny Jirama ao Port-Bergé, omaly. Nirehatra tao anatin’ny minitra vitsy ny bajaj iray nipetraka tsy lavitra io toerana io. Nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ny fokonolona. Tsy tafiditra tao an-trano kosa ny afo.

Lehilahy nivarotra toaka niaro rongony nosamborin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Ambalamanasy, Toamasina, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana. Nokarohina tany an-tranony io lehilahy io ka nahatrarana rongony sy ilay karazan-toaka amidiny tao aminy. Nogiazana ireo zava-mahadomelina. Niaiky ny helony io lehilahy io ka natolotra ny fitsarana.

Kamiao avy ao Sambava nikasa hihazo an’An­talaha, niharan-doza ka nilatsaka tao ambany tetezana tao Andempona, kaominina Ambinanifaho, RN5A, PK 348 + 400, ny alin’ny alatsinainy teo tamin’ny 8 ora alina. Nisedra olana teknika tampoka ny fiara ka nahatonga ny loza. Tsy nisy aina nafoy.

Partager sur: