Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana depiote izao… Manao ahoana? Maneho ny fijeriny ny fiarahamonina sivily avy amin’ny Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny hafatra amin’izao fampielezan-kevitra amin’izao?
Andriamanana Nivoarivony (-): Mampahatsiahy ny fiarahamonina sivily ny amin’ny fihantsiana na ny famadibadihan-dresaka hitarihana olona any amin’ny fankahalana na fikomiana: tokony handeha amim-pilaminana ny fifidianana. Izay no tanjona. Mila mahay mahafantatra koa mpitarika antoko politika izay manabe ny mpikatroka ao aminy: inona ny anjara andraikitry ny tsirairay ao anatin’izao seha-pifidianana izao? Tsy tokony hanome zavatra diso na fampianaran-diso ny mpomba azy izy ireo. Mila hajaina hatrany kosa ny tsy fiandaniana ho an’ireo eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana.
* Olona toy inona no tokony hofidin’ny vahoaka?
– Izay tena hitondra ny teniny… Mitondra tolo-dalàna koa amin’ny maha depiote azy. Ampirisihana ny vehivavy kandidà amin’izany, fa mba betsaka ry zareo tamin’izao. Tena hita marefo ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina. Mila fanatsarana sy fampandrosoana izay seha-piarahamonina ho an’ny vehivavy izay. Tsy mandrisika ny olona hifidy an-dRanona na Ranona izahay, fa ny mponina isaky ny distrika no mahita: iza no tena hitondra izay hetahetany ary hanao tolo-dalàna? Eo koa ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka.
* Ary ataon’ny vahoaka amin’izao fampielezana-kevitra izao?
– Miankina amin’ny fifehezan’ny kandidà ny asa maha depiote raha voafidy izy no tokony hojeren’ny vahoaka. Mamoaka vina handresen-dahatra ny vahoaka ny kandidà. Izay no tokony horaisin’ny vahoaka, raha maharesy lahatra azy na tsia: sao manao kobaka am-bava fotsiny? Azo atao ny manao karazana dina amin’izany: inona no hataon’ny kandidà raha izy no hofidina? Mahazo maka toky toy izany ny vahoaka, mamotopototra tsara ny kandidà. Tany an-dalam-pandrosoana isika, mampalahelo ny fizarana zavatra izay fividianana mpifidy ankaloka. Vokatry ny tsy fisian’ny famerana ny vola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra io. Tsy fandikan-dalàna ny fizarana zavatra amin’ny fampielezan-kevitra, fa fomba fiady amin’ ny tany an-dalam-pandrosoana.
Nangonin’i R. Nd.