Depiote: tsy solom-bavan’antoko

“Olona mijoro ny hoe de­piote, manam-pahendrena, manam-pahalalana, manam-pahasahiana: manaja tsara ny hafa, maneho amim-pahamarinana ny zava-drehetra. Ny antsika, lasa mpanara-drenirano, mivoaka miditra eo, mifanaratsy na manakiana fotsiny, na manaraka fotsiny ny bai­kon’ny antoko politika…”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandi­nika fiarahamonina, Rama­mi­mampionona Gérard, amin’ izao fifidianana izao. Mba tsy ny antoko indray no mama­totra ny depiote. Harena lehibe ny fananana depiote maro afa-maneho hevitra hampanan-karena, fa tsy hoe hevi-tokana dia izay no tsy maintsy eken’ny rehetra. Inona izany no maha solom-bavan’ny vahoaka azy? Lasa solom-bavan’antoko izy amin’izany. Manakely sy ma­nary hasina ny andrimpanjakana isiany izay. Aleo afa-kiteny avokoa ny depiote, fa lasa mahantra ny Antenimierampi­renena raha vao fehezina: tsy heno tsara ny feon’ny vahoaka avy any ifotony, fa ny hevitry ny antoko sisa… Izay no mahatonga ny hoe manangan-tanana fotsiny sisa noho ny tahotra na tsy fahalalana, fa mandray baiko sy mahazo tombontsoa manokana.

R. Nd.

Partager sur: