Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: hisitraka ny tambin-karamany ny sefo fokontany

Mamaha ny olan’ny mpitantana eny ifotony. Anisan’ny fanahapan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha ny hanomezana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany.

Nivoitra tamin’izany fa efa fanao ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany sy ireo lefitra amin’ny alalan’ny “Mobile banking” amin’ny ezaka fanovana ny fomba fitantanana. Mbola maro nefa izy ireo no lavi-dalana sy tsy ampy fitaovana ka mbola tsy afaka nahatanteraka izany 100% ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany.
Araka izany, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manova sy manampy ireo fepetra sasany hirosoana amin’ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany sy ireo lefiny mba tsy hisy fahatarana be loatra eo amin’ny fandoavana ny tambin-karaman’izy ireo. Tanterahana amin’ny alalan’ny “Bon de caisse” sy “Mobile banking” izany ho an’ny telo volana fahefatra ny taona 2023 sy ny telo volana voalohany sy ny faharoa amin’ity taona ity.

Hahazo tambiny koa ny Préfet sy ny sefo distrika

Voalaza fa hiverina amin’ny alalan’ny “Mobile banking” ny fandoavana ireo tambin-karama ireo manomboka ny telo volana fahatelo ho an’ny taona 2024.
Etsy andaniny, haloa koa ny tambin-karaman’ireo mpiantsehatra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana depiote. Hisitraka tambin-karama, araka izany, ireo Préfet de police, ny sefo disitrika, ny lehiben’ny boriboritany sy ireo sefo fokontany. “Ifandrimbo­nan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisitera sy ny Ceni izany tambin-karama izany”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Hampiasana ny Mobile banking araka izay tratra koa izany mba ho fitandrovana ny mangarahara sy ho fanamarinana ny tena fisitrahan’ireo tokony hisitraka izany marina, araka ny tatitra hatrany.

Synèse R.

Partager sur: