Ambatofinandrahana: misehatra amin’ny fampandrosoana ny FMA

Anisan’ny ezaka tanterahin’ ny Fikambanana mandresy ao Ambatofinandrahana (FMA) ny fampandrosoana ny eny ifotony tao anatin’ny tao maro nijoroany. Anisan’izany ny fa­nomezana rano fisotro ho an’ ireo fokontany any an-toerana. Ny jiro manazava ny tanàna ary koa ny fanohanana eo amin’ny lafiny fahasalamana ireo mponina any amin’ity distrika ity. Ankoatra izany, ny fanampiana ny vehivavy sy
ny fikambanam-behivavy eo amin’ny fampitaovana azy ireo sy ny fizarana masomboly.
Manampy izany ny fidinana ifotony eny anivon’ny fokon­tany mihaino ny hetaheta sy ny olan’ny vahoaka ka itondran’ ny FMA ny mety ho vitany sy ny anjara biriky ho amin’izany.
Tsiahivina fa anisan’ny mpitarika ny fikambanana ny tale kabinetra teo aloha eo anivon’ny Ceni, Andriamifidy Jean Louis. Efa nametra-pia­lana amin’izany andraikitra notanany izany ny tenany, araka ny nambaran’ny filohan’ ity rafitra mikarakaraka ny fifidianana ity. Nahafahan’ny mpi­tarika ny FMA naneho ampahibemaso ny fanohanany sy ny nitsofany rano ny kandidàn’ ny Irmar any Ambatofinan­dra­hana, Razafindrabary Richard izany, nialoha ny fampielezan-kevitra. Manohana izany koa ny eo anivon’ny AFF any an-toerana ho fiarahana amin’ny fitondrana mijoro. “Hitohi­zan’ ny fampandrosoana efa na­tom­boka ao Ambatofinandra­hana ka anentanana ny rehetra hametraka fitokisana amin’ ny kandidà miaraka amin’ny filoha am-perinasa”, hoy ny FMA.

Synèse R.

Partager sur: