Rajoelina Andry: « Laharam-pahamehana ny famerenana ny tany ho an’ny vahoaka »

Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony, tao amin’ny distrikan’ Antanifotsy, faritra Vakinanka­ratra, nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fihainoana ny mararin’ny va­hoaka, fanatanterahana ireo fanamby napetraka ary fitokanana fotodrafitrasa no nandravaka ny fandaharam-potoa­nan’ny fitsidihana. Anisan’ izany ny fizarana karatany sy ny fitokanana ny tobim-pahasalamana ao an-toerana.
Ao anatin’ny fanambin’ny fitondram-panjakana, mandritra izao fe-potoam-piasany izao ny famerenana sy fanolorana ny tany ho an’ny Mala­gasy. Nanatanterahana izany ny ao amin’ny kaominina Am­pitatafika, Soamanandrariny, Ambatotsipihina ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Karatany miisa 34 500 no nozaraina tamin’ireo mponina ao amin’ ireo kaominina ireo. Niaraka nanolotra izany tamin’ny filoham-pirenena ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajarina ny tany, Andriantsito­haina Naina.
Nahazo fotodrafitrasa en­tina mamaha ny olan’ny fitsaboana ihany koa ity distrika ity. Notanterahina nandritra izany dian’ny filoha izany ihany koa ny fitokanana tobim-pitsaboana ao Andohafarihy Antanifotsy. Hanala fahasahiranana sy hanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoakan’ny distrikan’­ An­tanifotsy no tanjon’izao, araka ny nambaran’ny filohan’ ny Repoblika. Nitohy tao Man­doto ny dian’ny filoham-pirenena taorian’ny nitokanana ireo fotodrafitrasa entina ma­natsara ny sosialim-bahoaka.

Lin

Partager sur: