Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa mampihatra hatrany ny mangarahara izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny lisitry ny mpifidy.
“Misokatra amin’ireo kandidà depiote ny lisitry ny mpifidy, nofaranana ny 15 mey teo”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Nambarany fa azo atao ny maka izany saingy tsy maintsy mitondra “Clé USB 32 giga vaovao” ahafahana mahazo azy manontolo eny anivon’ny distrika tsirairay avy. Nanterin’ny eny Alarobia fa fampitoviana lenta ny samy kandidà amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao izany.
Toy izao ny famintinana ireo antontanisa tsara ho fantatra: tsiahivina fa maherin’ny 11 tapitrisa ny isan’ny mpifidy anaty lisitra amin’izao fotoana izao. “Salanisa ambony indrindra tamin’ireo fanavaozana ny lisitry ny mpifidy nifanesy tanatin’ny dimy taona farany izany”, hoy ihany ny eo anivon’ny Ceni. Niampy dimy hetsy mahery izany ka manome taham-pitomboana 5.32%.
Anisan’ny nitombo sy navitrika, ohatra, ny mpifidy nisoratra anarana ho an’ny eny amin’ ny distrikan’Atsimondrano. Maherin’ny roa alina izy ireo.
Hampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna
Hampiasaina amin’ireo fifidianana rehetra mialoha ny 15 mey 2025 io lisitry ny mpifidy nofaranana io. Hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey ho avy izao sy ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny volana novambra, amin’ity taona ity, koa.
Ankoatra izay, manentana hatrany ny tsy tokony hifampihantsiana amin’izao fiatrehana ny fampielezan-kevitra izao ny eo anivon’ny Ceni. Niantsoan’ izy ireo ny rehetra koa ny mba hanajana hatrany ny soatoavina maha Malagasy.
Synèse R.