Tra-doza tampoka nivoaka ny arabe ny fiara iray teny amin’ny Digue Andohatapenaka, afakomaly. Niala mpitondra bisikileta io fiara io kinanjo tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana. Nirona anaty tanimbary ilay fiara. Tsy nisy ny aina nafoy.
Maty vokatry ny lozam-piaramanidina nahazo azy ny filoha Iraniana Ebrahim Raïssi, afakomaly. Niara-namoy ny ainy niaraka tamin’ity filoha ity ny minisitry ny Raharaham-bahiny am-perinasa. Hisolo toerana azy vonjimaika ny filoha lefitra.
Voasambotry ny zandary ny olon-dratsy iray nanendaka mpifankatia teny amin’ny Astro, fokontany Morarano, kaominina Andoharanofotsy, ny 18 mey lasa teo. Nofatoran’ireo jiolahy ireo mpifankatia. Norobainy ny finday sy ny zava-tsarobidy teny amin’izy roa. Niantso vonjy ireo lasibatra.
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny
dahalo raindahiny, antsoin’ny maro hoe Nary volomborona, tao Ambohitsimienona , kaominina Ambohimandry Arivonimamo, ny 18 mey teo. Mpamerin-keloka, efa nokarohin’ny zandary nanomboka ny 13 mey teo izy noho ny fanafihana tao Antsetsindranovato Imerintsiatosika.