Fiaramanidina iray no maty motera tampoka nandritra ny fandalovany tao amin’ny vohitra Mandalova, kaominina Androhibe, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly. Niainga avy any Fianarantsoa io fiaramanidina kely io ary nikasa hihazo ny Renivohitra. Mailo ny mpanamory ka tafapetraka soa aman-tsara tety an-tanety izy ireo.
Fiara tsy mataho-dalana nitondra mpiara-dia amin’ny kandidà mirotsaka ho solombavambahoaka, niharan’ny tifitra nataon’ny olon-dratsy tao fokontany Fenoanala, hiditra an’i Bezaha, distrikan’i Betioky Atsimo, afakomaly hariva. Nirefotra tampoka ny basy avy anaty haizina. Olona enina no tao anatin’ny fiara. Tsy nisy aina nafoy.
Raim-pianakaviana iray maty tampoka teo am-pilalaovam-bolina, tao Tamatave, ny alatsinain’ny Pantekoty teo. Nitsangantsanana tany Analamalotra izy ka tapitra aina rehefa nilalao baolina kitra.
Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka indray ny fitsarana ireo mpamily roa lahy niteraka famoizan’aina ain’olona tany Ambatofolaka. Tazomina eny anivon’ny zandary ny mpamily iray raha toa ka tonga isan’andro eo anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny iray. Raha tsiahivina, olona telo namoy ny ainy ka zaza ny iray nandritra io lozam-pifamoivoizana nahasaringotra azy roa lahy io.