Rakotoarijaona Jerry : “Fifidianana no atao fa tsy fividianana olona”

Ao anatin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana depiote izao, tsy ilazaon’ny fizarana fanomezana etsy sy eroa. Ho tonga hatraiza? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM). Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fahazoana ny maro anisa amin’izao fifidianana depiote izao?

Rakotoarijaona Jerry (-): Araka ny And. 54 ao amin’ny Lalàmpanorenana, izay maro anisa no manolotra Praiminisitra hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Mihazakazaka izao ny mpanohitra ary miresaka ny amin’izay: aorian’ny fanendrena Praiminisitra, mieritreritra fa ho azony atao ny hampiato ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany. Nefa firy ny kandidàn’ny mpanohitra manerana an’i Madagasikara ka mety hahazoany ny maro anisa? Ny fahamarinan-toerana politika tadiavina dia ny fahazoana depiote maro anisa mitovy fijery sy manohana ny fitondrana mba hahavita izay nampanantenainy. Raha mifanohitra amin’izay, ho voasembantsembana ny asan’ny fitondrana amin’ny fanatanterahana izay andrasan’ny vahoaka aminy.
* Ary ny amin’ny hoe misy tsy fanajana Lalàmpanorenana amin’izao fampielezan-kevitra izao?
– Samy hafa ny fanokanana zava-bita sy ny fanolorana. Tsy fandikana Lalàmpanorenana no mitranga amin’izao. Araka ny mahazatra eto amintsika, izay hatrany ny don-tandroka politika.
Raha tonga amin’ny toerana iray ny filohan’ny Repoblika, tsy hanatrika eo ny kandidà mpanohitra ary tsy hanana raharaha amin’izany. Satria ny programan’ny filohan’ny Repoblika io no tena toheriny. Maninona ny kandidà tsy miankina no tsy tonga amin’ireny famoriam-bahoaka ataon’ny filoha ireny? Nefa milaza koa fa hanao asa fampandrosoana… Ireny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika ireny no mitondra fampandrosoana.

* Inona no tena tokony hatao amin’izao fampielezan-kevitra izao?
– Tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna teto Antananarivo 1997 no tena nanomboka io fizarana zavatra io. Nitohy tamin’ny fifi­dianana filohan’ny Repoblika, desambra 2001, izay. Amin’izao, tsy azo eritreretina raha tsy manolotra zavatra… Efa fahazarana izay. Na izany aza, tokony hampianarina sy hozarina ny mpifidy: fifidianana no atao fa tsy fividianana. Hevitra no fidina fa tsy izay manam-bola na mahatolotolotra. Misy ny mahatolo­tolotra fa hadinony ny zava-drehetra, rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: