Fampahatsiahivana… Herinandro sisa dia hifarana ny fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana depiote izao. “Raha misy mahatsiaro fa voadona ny zony amin’ny hala-bato sy ny tsy fanarahan-dalàna, zon’ny kandidà ny mitory any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tany Toamasina, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny amin’izay mety hisian’ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fandantsaham-bato. Mahatsiaro manana adidy ny HCC, mampahafantatra an’ireo kandidà sy ny mpanohana azy ireo avy ary ny mpanao politika amin’ny ankapobeny momba ny lalàm-pifidianana, indrindra ny zavatra tsy azo atao amin’ny fampielezan-kevitra. Satria mety maro ireo kandidà tsy mahafantatra izay zavatra tsy azo atao, fa manaotao foana indraindray. Ny hiafaran’izany lasa mitarika fitoriana any amin’ny HCC, rehefa vita ny fifidianana raha misy ny tsy fanarahan-dalàna tsy nahy na fahadisoana atao an-tsitrapo. Toy izay koa ny pitsopitson’ny lalàna amin’ny fanaovana fitoriana. Tsara ho fantatra…
R. Nd.