Fanentanan’ny Ceni : manana zo haneho ny safidiny ireo sembana

Mitohy hatrany ny fanentanana sy ny fampahafantarana ataon’ny Ceni, amin’izao andro vitsy mialoha ny fifidianana solombavambahoaka izao. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny momba ireo mpifidy miaina anaty fahasembanana.

“Manan-jo hanana mpanaraka azy arakaraka ny filany ireo sembana. Tahaka izany koa ireo manana olana eo amin’ny fahitana. Omena fitaovana efa voaomana izy ireo”, hoy ny eo anivon’ny Ceni. Notsiahivin’izy ireo fa hisokatra amin’ny 6 ora maraina ny birao fandatsaham-bato (BV) ary mikatona amin’ny 5 ora hariva.
Ahitana ireo tomponandraikitra eny anivon’ny fokontany, mizara ny karatry ny mpifidy ho an’ireo mbola tsy nahazo izany, eo ivelan’ny birao fandatsaham-bato.
Dingana fito no arahina rehefa miditra ao amin’ny BV. Manatona eo amin’ny “Asses­seur” hanamarinana ny ankihiben-tanana sy ny kara-pifidianana ary ny karapanondro (CIN). Jerena anaty lisi-pifidianana ny anarana avy eo. Manatona ny “Assesseur” iray hafa indray hanoroana ny fomba famalonana ny biletà tokana sy ny hanomezana azy izany rehefa voamarina fa ahitana sonian’ny mpikambana roa eo anivon’ny BV izany.

Tovan-tsonia an’ny sekretera…

Miditra amin’ny trano fisainana ny mpifidy maneho ny safidiny amin’ny alalan’ny fametrahana marika “X” eo an-kavanan’ny sarin’ny kandidà amin’ny penina miloko manga. Mandray ny mpifidy ny filohan’ny BV avy eo, manara-maso ny fandrotsahana izany amin’ny vata mangarahara. Manatona ny mpitan-tsoratra manao sonia na lavi-tondro manandrify ny anarany amin’ny lisi-pifidianana ny mpifidy ary manao tovan-tsonia amin’izany ny sekretera manamarina fa nandatsa-bato tokoa ny mpifidy. Marihina amin’ny ranomainty tsy maty vonoina avy eo ny ankihiben-tanana havia ho marika fa avy nifidy.

Synèse R.

Partager sur: