Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, sy ny masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Ji Ping, ny talata teo, teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, eny Anosy. Tanjon’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nandritra izany ihany koa no nanambaran’ny masoivohon’i Chine ny fanasana ny tomponandraiki-panjakana malagasy hiatrika ny « 5ème Forum de coopération sino-africaine des Gouvernements locaux ».
Mifanaraka tanteraka amin’ ireo andry telo lehibe amin’ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana ny tetikasa fiaraha-miasa amin’i Chine, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fampivoarana sy fanomezan-danja ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria ary ny fitondrana tsara tantana. « Vonona ary maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ ny firenena roa tonta i Madagasikara”, hoy Rasata Rafaravavitafika. Anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ny fananganana fotodrafitrasa, ny fitaterana, ny angovo.
Tetsy ankilany, nanamafy izany fiaraha-miasa izany ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara. Antenaina ny hivelaran’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny sehatra hafa, araka ny nambarany. Manamafy izany raha teo ny fanasana nomen’ny masoivoho ny tomponandraiki-panjakana eto an-toerana.
Lin