Manahy antsojay politika amin’izao fampielezan-kevitra izao ireo haino aman-jery sasany. Anisan’izany ny taratasy navoakan’ny lehiben’ny disitrikan’Antanifotsy nomena ny mpitantana ny sampana radio A/Z Radio any an-toerana. Voalaza anefa fa sampana tsy mamokatra fandaharana izany onjam-peo izany. Mampita ny feo avy any Antsirabe fotsiny izy ireo nefa izao nahazo fandrahonana fanakatonana izao, araka ny fampitam-baovaon’ireo tomponandrakitra mpitantana. Nohamafisin’izy ireo koa fa isehoana antsojay ny ao an-toerana. Mahazo fandrahonana hatramin’ireo mpampianatra sy ny mpiasan’ny fahasalamana, manaraka ny kandidàn’ny mpanohitra. Tahaka izany koa ireo tsy miara-dia amin’ny kandidàn’ny fitondrana. Maro ireo nahazo famindran-toerana ny mpiasam-panjakana, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Tahaka izany koa ny nandefasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) taratasy fanakatonana ny radio Fivoarana etsy Imerintsiatosika. Kandidà amin’izao fifidianana izao ny mpitantana izany.
Etsy andaniny, tsy fantatra na misy ifandraisany amin’ny fifidianana sy ny propagandy na tsia ny fanafihan-jiolahy nihatra tamin’ireo mpivady mpanohana kandidà iray any Ankazomiriotra ka nahafaty azy ireo. Tranga niseho ny alahady hifoha ny alatsinainy teo tany an-toerana izany.
Sajo sy Synèse R.