TSELATRA

Sekoly tsy miankina iray kilan’ny afo tao Anativolo, distrikan’Anjozorobe, omaly atoandro. Nirehatra tao anatin’ny minitra vitsy ny afo. Niezaka nifehy ny fokonolona saingy kila tsy nisy noraisina ny efitrano fianarana. Ahin’ireo mponina ao an-toerana fa niniana nodoran’olon-tsy fantatra io sekoly io. Misokatra ny fanadihadiana.

Vehivavy roa tratra nangalatra voly teny an-tsaha naiditra vonjimaika any am-ponja, omaly. Nosam­borin’ny fokonolona izy roa vavy ireo niaraka tamin’ny vokatra roa gony avy nangalarin’izy ireo. Naterina teny anivon’ny zandary ka niakatra fampanoavana ireto farany. Niafara amin’ny fihazonana azy ireo am-ponja izany.

Naratra mafy ny mpamilin’ny fiara tsy mataho-dalana iray tra-doza tao Befarafara, anatin’ny lalam-pirenena RN5A, kaominina Daraina, distrikan’i Vohemar, afakomaly hariva tamin’ny 4 ora. Nikasa hihazo an’Ambilobe io fiara io saingy vaky tampoka ny kodiarana havanana teo aloha. Nivadibadika ny fiara taorian’izay.

Notanana vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy nanolana ny zanany vavy vao 13 taona tao Ambohiman­damina, Mahajanga, afakomaly. Niara-nipetraka tamin’io rainy io sy ny renikeliny ilay zaza. Norahonan’ilay rainy izy raha toa ka mitantara ny fanararaotana ara-nofo nihatra taminy. Niloa-bava anefa io lasibatra io ka izao tratra izao ny nahavanon-doza.

Partager sur: