Fotodrafitrasa maro samihafa no notokanana sy natolotra ny vahoaka eny ifotony, nandritra ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena. Izany no natao dia ho fanatanterahina ny vina sy ny fanamby napetraky ny fitondram-panjakana.
Tontosa omaly alakamisy 23 mey 2024, ny fidinana ifotony sy fitsidihana, nataon’ny filoham-pirenena , Rajoelina Andry. Analalava sy Bealalana ary Nosy Be indray no nandray ny filoham-pirenena tamin’iny andron’ny omaly iny. Nanotrona azy tamin’izany ireo olom-panjakana sy olona manan-kaja samihafa avy amin’ireo tanàna ireo. Ankoatra ny tafa tamin’ireo vahoaka eny ifotony, nisy ihany koa ny fitokanana sy fanolorana ireo fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka izay natao hanatsarana ny sosialim-bahoaka. Raha tsiahivina, tanjon’izao fitsidihana izao ny hijerena ny mahararin’ny vahoaka sy ny hamaliana ny filan’izy ireo. Faritra sy distrika maro no efa nanatanterahina izany ary mbola hitohy amina toeran-kafa.
Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny fitondram-panjakana, ataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Nisitraka fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ireo vahoaka tamin’ireo tanàna nolalovan’ny filoham-pirenena, omaly. Niampy fitokanana sy fanolorana ny CSB II manara-penitra kosa izany ho an’ny tao Bealalana ary dinika niarahana tamin’ireo fikambanam-behivavy tao Nosy Be.
Anisan’ireo andry lehiben’izao fitondram-panjakana izao ny fitsinjovana ny maha olona, ankoatra ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fitondrana tsara tantana. Antony nanaovana izao fotodrafitrasa izao mba hisitrahan’ny mponina ao an-toerana fitsaboana mifanaraka amin’ ny filan’izy ireo. Samy manana ny andraikiny ny tsirairay avy amin’ny fampandrosona ny firenena, araka ny nambaran’ny filoha. Izany indrandra no nisian’ny tafa tamin’ireo fikambanam-behivavy, nandraisana ny tolo-kevitra sy ny fitarainana avy amin’izy ireo.
Lin