Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Mampandroso ny filaminan’ny fananan-tany”

Nisitraka karatany sy bokitany maherin’ny 20 000 ny any Marovoay. Tonga tany an-toerana nanolotra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly. “Mampiro­bo­robo ny fambolena ary mitondra fampandrosoana ho antsika ny filaminan’ny fananan-tany”, hoy izy. Nambarany fa mamaha ny olana eny anivon’ny fiaraha-monina izao tetikasan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanavaozana ny fananan-tany izao sady anisan’ny famerenena ny tany ho an’ny Malagasy. Anisan’ny manana velaran-tany sy tanimbary betsaka rahateo ny any Maro­voay. Nampanantena ny tenany fa hoezahina ny hanohizana izany eo anivon’ny MFFT. Ho avy koa ny vola fanampiana ny kaominina “Subvention” sy ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany, araka ny nambarany.
Nandalo ny tany amin’ny kaomininan’Andranomamy, Ambondromamy ary Andrano­fasika ny minisitra, nialoha izany. Nanolotra ny fahavitan’ny CEG, EPP maromaro amin’ny alalan’ny tetikasa «Projet de développement communal inclusif et de décentralisation – PDCID».
Nahazo fitaovana hanamboaran-dalàna koa ny An­dranomamy – Tsinjorano miaraka amin’ny fizarana Titre miisa 100 kosa ho an’ny kaominina Ambondromamy.
Nisy hatrany ny fihaonan’ny minisitra amin’ireo mpitantana eny ifotony ka nihainoana ny hetaheta sy ny olana ary namaha izany.

Synèse R.

Partager sur: