FANTINA sy FINTINA

Araha-maso ara-pitsarana Raharimanana Patrick rehefa niakatra ny fampanoavana tetsy Anosy, afakomaly. Anisan’ny nanadihadiana azy ny famoahana ny fandaharam-potoan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny Facebook ary izao nalefa nody any an-tokantranony izao. Naharitra herinandro ny famotorana momba ity raharaha ity.
Notanterahina, omaly ny fanaovam-beloma farany ny kandidàn’ny Firaisankina, i Mamy Clavere, tao amin’ny Ekar Morondava rehefa nodimandry ny he­rinandro teo. Nisolontena ny Firaisankina nanao veloma farany azy tany an-toerana i Paraina Auguste. Tsia­hivina fa niato ny propagandy tany Morondava noho izao fahoriana izao.
Samy hanao faradoboka avokoa ny ankamaroan’ireo kandidà amin’izao faran’ny herinandro izao na mbola manana andro vitsy aza izy ireo, mialoha ny fifidianana ny 29 mey izao. Hamory vahoaka amin’ny alalan’ny mpanakanto eny amin’ny kianja malalaka ohatra ny Irmar Antananarivo I sy ny Kolektifa eny Ava­radrano.
Tsy mankasitraka ny fitsabahan’ny iraky ny Sadc amin’ny fifidianana depiote ny eo anivon’ny Ante­nimieran’ ny ray aman-dreny ara-drazana sy ny foko malagasy (ARFM). Nambaran’izy ireo fa mbola taratry ny endri-panjanahan’ny Frantsa-Afrika izany. “Aleo ho raharahan’ny samy Malagasy ny fifidianana”, hoy izy ireo.

Partager sur: