TSELATRA

Naratra mafy ny mpandeha moto iray nifandona tamina fiara kely iray, teny Amoronakona, ny sabotsy teo. Vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ilay mpitondra moto no nahatonga ny loza. Nikasa hisongona fiara iray teo alohany izy kanjo nifanehatra tamin’ilay fiara kely avy any By-Pass. Potika tanteraka ilay moto. Nentina hopitaly kosa ilay naratra.

Olona dimy indray maty vokatry ny lozam-piarakodia tao Akatsakareo, anelanelan’i Beraketa sy Anivorano Mitsinjo, ny sabotsy maraina teo. Kamiaobe nitondra entam-bokatra ity nivadika ity ka namoy ny ainy voatsindrin’ny entana ireo olona dimy niharam-boina ireo. Voalaza fa noho ny haratsian-dalana no nampivadika ilay fiarabe. Mandeha ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana.

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona roa (vehivavy sy lehilahy) malaza ratsy amin’ny fisolokiana. Ny polisy avy ao amin’ny CSP1 Analakely no nahasambotra azy ireo. Mody miantsena amina magazay ireto farany ka lazainy fa mahita entana mora. Resen’izy ireo lahatra hanaraka azy ny olona solokiany. Alainy ny vola rehefa tonga eo amin’ilay toerana izy ireo ka tsy hita intsony. Maro ireo olona efa tratran’izy ireo.

Maty voatifitry ny zandary ny roa tamin’ireo malaso nanafika tao Morarivo, fokontany Miaramandroso Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, ny sabotsy teo. Nanapoaka basy sady nampihorohoro ny mponina tao amin’io fokontany io ry zalahy nandritra ny fanafihana. Tonga teny an-toerana ny zandary nampian’ny Tafika ka nisy ny fifampitifirana. Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby 100 lasan’ireo malaso. Basy lava iray kosa azon’ireo mpanara-dia.

Partager sur: