Fampielezan-kevitra – Boriborintany I: fikambanana maro manameloka ny herisetra

Namoaka fanambarana, “manameloka ny herisetra nianjady tamin’ny renim-pianakaviana iray ao amin’ny boriborintany voalohany”, ny fikambanana maro manohana ny fitondrana. Kandidà sy mpiara-dia aminy ao amin’io boriborintany io no voalaza fa tompon’antoka tamin’izany.

Nanao fanambarana ireo fikambanana maro miara-dia amin’ny fitondrana manoloana ny herisetra nianjady tamin’ny renim-pianakaviana iray, antsoina hoe Sarah Ismaellah, tao amin’ny boriborintany voalohany, ny alakamisy teo. «Melohinay tanteraka ny herisetra amin’ny endriny rehetra, indrindra amin’ny vehivavy renim-pianakaviana», hoy ny fanambarana. Voamarika ao anatin’ny fa­nambarana fa mitondra vohoka ilay renim-pianaka­viana. Tonga namangy sy nankahery azy teny amin’ny hopitaly ireo solontenan’ny fikambanana, omaly, noho ny fahatsiarovana ny fetin’ny reny izay notarihin-dRtoa Razanamahefa Tahiana. Voalazan’izy ireo fa ireo nanao herisetra taminy indray no miezaka manodina ny fahamarinana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery. «Tan­dindomin-doza ny boriborintany voalohany…», hoy ny fa­nambaran’ireo fikambanana. Voahitsakitsaka ny zo fototry ny vahoaka ao amin’io boriborintany io noho ny fanambaniana sy fandrahonana nahazo azy ireo, araka ny tatitry ny fanambarana hatrany.
«Eto izahay dia mitaona ny vahoaka eto amin’ny boriborintany I hanongotra hatramin’ny fakany ny ataon’ity kandidà mihevi-tena ho tsimatimanota ity. Miantso ny tomponandraiki-panjakana rehetra izahay hanao ny fanadihadiana manokana izao barofo sy fandikan-dalàna izao», hoy ny voalazan’ny fanambarana. Mitaky ny hamerenana tsy misy hataka andro ny rejisitra nalain’io kandidà io tao an-tranon’ilay renim-pianakaviana koa ireto fikambanana ireto. Ankoatra izay, manentana ny vahoaka hahay mifidy izay olona hitodra azy izy ireo ary mirary sy miarahaba ny reny rehetra amin’izao fankalazana ny fetin’ny reny izao.

Randria

Partager sur: