Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : nisitraka karatany faobe ny faritra Bongolava

Nitohy tany Bongolava indray ny hetsika fizarana karatany faobe, ny faran’ny herinandro teo, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitra tomponandraikitra, Andrian­tsito­haina Naina. Notantera­hina tao Tsiroanomandidy ny fizarana izany, ka miisa 6 066 ireo karatany nositrahin’ny mponina. Anisan’ny notolorana izany ny avy any amin’ny kaominina Ambatolampy, An­kadinondry Sakay, Bemaha­tazana, Bevato, Fiadanan­tsoa, Mahasolo ary ny ao Miandrarivao, distrikan’i Tsi­roanomandidy. Nitohy tamin’ny fivoriana niarahan’ny minisitra tamin’ireo ben’ny Tanàna any amin’iny faritra iny izany avy eo. Voaresaka ny fampandehanana ny asa eny ifotony sy ny lafiny fampandrosoana ary koa ny fihainoan’ny minisitra ny hetahetan’ireo ben’ny Tanàna. Teo koa ny namahana ny olana.
Tsiahivina fa vao avy nizara izany tany Ambatoboeny sy tany Marovoay ny eo anivon’ny minisitera, ny herinandro teo ihany. Efa nisitraka izany koa ny tany amin’ny faritra Vakinankaratra.

Synèse R.

Partager sur: