FANTINA sy FINTINA

Nisitraka solosaina ny fitsarana any Ambositra. Natolotra tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo, izany. Voatsiahy fa natao izao ho fanampiana ny fampitaovana ireo mpiasa sy hanatsarana ny kalitaon’ny asa. Eo koa ny fanomezana fahafaham-po ny vahoaka manan-draharaha. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fanjakana tsara tantana izany sy ho fintsinjovana ireo mpiasa.

Niantso ireo kandidà sy ny vahoaka ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, mba hiatrika fifidianana am-pilaminana. «Olon-kendry ny kandidà ka manentana ny hipetrahan’ny fanajana sy tsy hisehoan’ ny fihantsiana. Eo koa ny fanajana ny soatoavina maha Malagasy», hoy izy. Tsiahivina, nandray ny iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny SADC tetsy Ambohidahy ny tenany, ny zoma teo.

Niofana momba ny «Ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny biby sy ny zavamaniry dia» ireo mpitsara any atsimon’ny Nosy, ny herinandro teo. Nikarakara izany ireo eo anivon’ny ENMG ka anisan’ny nandray anjara ireo mpitsara ao amin’ny fitsarana ambony ao Toliara, ny fitsarana Ambaratonga voalohany ao Fianarantsoa, Ampanihy, Ambovombe Androy, Ankazoabo Atsimo, Morombe ary Toliara.

Partager sur: