Nampahatsiahy ireo fepetra ahafahana mifidy ny eo anivon’ny Ceni. «Ilaina ny fananana karatry ny mpifidy ho fanamarinana ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, indrindra ho an’ireo hitondra fitarainana eny amin’ny fahefana mahefa», hoy ny eo anivon’ity rafitra mikarakara sy manomana ny fifidianana ity. Nanterin’ny Ceni koa fa ireo mpifidy vaovao feno 18 taona sy ireo vao nisoratra anarana taorian’ny 20 jolay 2023 no mahazo karatra vaovao. Mbola manan-kery kosa ireo karatra nampiasaina tamin’ny fifidianana 2023.
Tsiahivina fa tokony ho nisokatra avokoa ireo biraom-pokontany manerana ny Nosy ny sabotsy 24 sy ny alahady 25 mey teo, ho an’ireo haka ny kara-pifidianany.
Etsy andaniny, natolotry ny Ceni ny herinandro teo, ireo tohana enti-manabe sy manentana ny mpifidy ho an’ireo fiarahamonim-pirenena. Hamaranana ireo hetsika fanabeazana sy fanentanana ny mpifidy ary koa ho fanamafisana ny hafatra efa nampitaina tamin’izy ireo. Eo koa ny fampahatsiahivana ireo taratasy takina rehefa hifidy. Manampy izany ny fanazavana ny asan’ireo ho solombavambahoaka ary koa ireo dingana samihafa lalovana rehefa ao anaty birao fandatsaham-bato ny mpifidy.
Synèse R.